ANTENIMIERANDOHOLONA : Haverina ho 34,9 miliara Ar ny tetibolany

Lany nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dàlana laharana 05/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny làlana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020.

Nisy, araka izany, ny fanitsiana nataon’ireo senatera dia ny fampidinana ho 5 isan’arivo ny tahan’ny vola fandrotsaka mikasika ny raharaha fanondranana entana rehetra. Ny fanafoanana ny andininy mikasika ny hetra 20% takiana amin’ny katsaka sy ny sakafom-biby, satria miteraka olana goavana amin’ny tantsaha eny ambanivohitra izany, ka naverina ho 10 % .

Nampitomboina kosa ny tahan-ketra mivantana amin’ny fanafarana sigara sy alikaola ary ny paraky mba hamenoana ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Eo koa ny famerenana ho 34,9 miliara ar ny tetibolan’ny Antenimierandoholona mba ahazoany manatanteraka ny asany sy ny andraikiny. Haverina ny fanampiana hanohanana ny orinasa Jirama, izay mitentina  255 miliara ar, mba ho tombotsoan’ny vahoaka efa sahirana.

Asa na mbola hifanitsy amin’ny fampihenana ny isan’ireo senatera hatao atsy ho atsy  izao volavolan-dàlana izao na tsia.

Vous aimerez aussi