Tsy mbola milamina ! Ahitana sakoroka hatrany ny fomba fizarana ny fanampiana toy ny vatsy tsinjo avy amin’ny fanjakana hatreto. Ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny manodidina an’Andavamamba no nitranga indray ny sakoroka izay niseho tamin’ny endrika fifampisintonana ireo gonim-bary teo amin’ireo be sandry amin’ny tanàna.
Niala maina, araka izany, ireo kely vovokaina araka ny fomba fiteny, fa dia ireo bokonozatra no nanao ny danin’ny kibony. Voaporofo tamin’ny zavanisy tetsy Andavamamba ity fa tsy mirindra ary tsy tomombana ny paikady entina mizara ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana toy ny vatsy tsinjo. Tsy vao iny rahateo no nitrangana sakoroka tahaka izao ny teny anivon’ireo fokontany voalaza fa hitsinjarana ny fanampiana. Manginy fotsiny ankoatra ny tsy fisian’ny rindran-damina amin’ny fizarana ny fampiakaram-peon’ireo mponina fa misy ny kiantranoantrano sy ny akamakama ihany koa manodidina ny vatsy tsinjo sy ny tontolony. Tsy efa tokony hahay hanatsoaka lesona tamin’izay madilana nisy hatramin’izay manodidina ny fitsinjarana ireo fanampiana ve ny tompoandraikitra sa hiandry fikorontanan-dehibe eny anivon’ny fiarahamonina indray vao ho taitra ka mety hamaky takotra irery eo ?


