FIZAHANTANY : Mpiseradia 1800 very asa

Mpiseradia (guide touristique) miisa 1800 no tsy manana antom-pivelomana intsony noho ny fikatsoan’ny fizahantany vokatry ny covid- 19 maneran-tany. Lany sy ritra ny vatsy hoenti-miatrika ny fiainana ho azy ireo. Vokany, naneho ny ahiahiany ny federasionan’ny mpiseradia fa mety hiverina indray ny fanimbana ireo zavamaniry sy fihazana ireo biby any an’ala vokatr’izao tsy fisian’ny asa ahafahana mivelona izao. Tsiahivina fa ireo valanjavaboahary eto Madagasikara no sehatra iasan’ireo mpiseradia be indrindra amin’ny alalan’ny fitarihana ireo mpizahantany teratany sy vahiny tonga mitsidika ireny toerana ireny. Ireo valanjavaboahary izay heverina fa sehatra iray ahafahana mampiroborobo ny fizahantany anatiny.

Ankoatra ny fanaovana antso vonjy amin’ny fanjakana foibe ny amin’ny tokony hizarana fanampiana vonjy aina ireo mpiseradia, mbola nanterin’izy ireo ihany koa ny fangatahana ny hanafoanana ny fandoavan-ketra sy haba amin’ity taona ity.

Sempotra tanteraka ary efa mibaby fatiantoka hatrany amin’ny 18 miliara Ar ny sehatry ny fizahantany koa rariny sy hitsiny, hoy ny solontenan’ireo mpiseradia raha toa ka hisitraka ny fanafoanana ny fandoavan-ketra sy haba ny fianakaviam-ben’ny fizahantany. Raha toa moa ka tsy azo tanterahana izany, vonona  hiroso amin’ny fifampidinihana ireo mpandraharaha hitady ny marimaritra iraisana amin’ny fomba handoavana izany. Nampanantena ny fanjakana foibe fa hisy ny fifampidinihana tsy ho ela ahafahana mametraka rafitra miahy sy manampy ireo mandraharaha amin’ny fizahantany mandalo fotoan-tsarotra tahaka ireo sehatrasa hafa ankehitriny.

Vous aimerez aussi