FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA : Nosoloina ireo Solombavambahoaka misazy any am-ponja

Naverina amin’ny toerana maha-Solombavambahoaka azy ny Depiote voafidy tao Bealanana, Volahaingo Marie Thérèse, izay Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha. Mitsahatra amin’ny asany, araka izany, ny solony teo aloha.

Noho ny fahabangan-toerana dia nosoloina ny Depiote  Ludovic Adrien Raveloson (na Leva) sy Hasimpirenena Rasolomampionona, satria heverina ho nanala tena, noho ny tsy famonjen’izy ireo ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena.

Tsy mahafoana ny saziny tamin’ny heloka nataony teo aloha koa anefa ny nahavoafidy azy ireo ho Solombavambahoaka.

Tendrena  ho Solombavambahoaka kosa Rtoa Yvonne Razafindrazalia, avy amin’ny lisitra tsy miankina Leva, tao amin’ny distrikan’i Mahabo sy Taratriniaina Dina Rakotomalala, avy amin’ny lisitra IRD, izay avy amin’ny Disitrikan’i Fandriana.

Ireo no didim-pitondrana navoakan’ ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (na ny HCC) io maraina io.

Vadiny ihany

Ny Solombavambahoaka Yvonne Razafindrazalia, izay nisolo ny depiote Leva moa dia vadiny ihany.

Nigadra moa ralehilahy sy ny zanany dia ramatoa indray no mandimby azy noho maha-faharoan’ny lisitra azy tamin’ny fifidianana.

Asa na efa kajy politika izao na efa fanahiana ihany satria maro ny heloka nanenjehina ity depiote Leva  ity. Anisan’izany ny fanondranana hazo sarobidy, ny septambra 2017, ka hisaziany 5 taona an-tranomaizina. Teo ihany koa ny famonoana olona roa, izay nitranga tany Ankilizato, ny oktobra 2016. Mbola nisy ihany koa ny famanoan’olona nitranga ny desambra 2016, tany amin’ny distrikan’i Mahabo ihany sy ny vonoan’olona ny febroary 2017 ihany koa. Eo ihany koa ny fitorian’ny Alliance Voahary Gasy azy. Ary nisy koa ny fandrahonana nataony tamin’ireo Fiaraha-monimpirenena.

Navoaka dia henjehina indray

Nahabe resaka nandritra iny faran’ny herinandro lasa iny moa ny nanomezan’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika ity depiote ity. Ankoatra ny raharaham-pitsarana miandry azy noho ny vonoan’olona sy ny fambolen-katsaka eo amin’ny faritra arovana manko dia mbola misazy any am-ponja ny tenany. Efa tany am-ponja ihany koa izy no navoaka niasa tety ivelany, teo aloha.

Na teo aza izany fitanana azy izany ka tsy nafahany  nanao fampielezan-kevitra dia lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany izy.

Izao anefa dia namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana indray ny lehilahy ary naato amin’ny asany ny Fampanoavana nanome azy izao fahafahana vonjimaika izao.
Miezaka ny hanarina ny tontolon’ny Fitsarana ny Fitondrana ankehitriny kanefa misy hatrany ny tompon’andraikitra tsy tàn-dalàna.

Vous aimerez aussi