Fitsarana manakaiky vahoaka. Io no tanjona apetraky ny Ministeran’ny Fitsarana ankehitriny ka hamerenana indray ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny Fitsarana malagasy.
Araka izany, misy ny adiresy mailaka « minjus.mg@gmail.com », ahazoana manoratra sy manolotra ny fitarainana, ka hanaovana ny fitorohana eo anivon’ny Minisitera, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Imbiky Herilaza.
Natao indrindra izany, hoy izy, mba hahazoana soson-kevitra na fitarainana manokana eo amin’ny raharaham-pitsarana. Koa afaka manao izany ny vahoaka malagasy rehetra, ka ezahina ho araka izay haingana ny famaliana azy.
Ho an’ny rehetra
Mba ho fampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana dia afaka manoratra ao ny rehetra. Mila atao mazava kosa anefa ny anarana, ny adiresy, ny laharan’ny finday sy ny adiresy mailaka, ahazoana mamaly ny fitarainana sy ny fanazavana ilaina, satria ho haingana ny fomba fiasa.
Nambaran’ity Sekretera Jeneraly ity fa tsy mifanitsaka velively amin’ny fitorohana eo anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny Kolikoly (na ny Bianco) izao fitorohana ny tranga tsy mety eo anivon’ny Fitsarana izao fa mainka aza mifameno.
Nanteriny kosa anefa fa ny trangana kolikoly dia alefa avy hatrany eny amin’ny Bianco fa ny asa eo anivon’ny Fitsarana kosa dia raharahan’ny Ministera ny fanatanterahana izany.
Tazomina ho tsiambaratelo mandrakariva ny mombamomba ireo rehetra izay manao fitarainana eo anivon’ny Ministera ary mivantana avy hatrany eo anivon’ny Sekretera Jeneraly ireo fitarainana ireo.
Mahavelom-panantenana
Mahavelom-panantenana ny olom-pirenena, araka izany, ny fomba fiasa vaovao tahaka izao, satria afaka manana sehatra hanaovana fitarainana mivantana eny amin’ny tompon’andraikitra ambony ny vahoaka.
Heverina fa ho foana, noho izany, ny mety ho raharaha mampiahiahy eo anivon’ity Ministera mampitaraina ny maro ity.


