“Singa iray ahafahana manatratra ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe ny famindran-drà sy ny fahafahana misitraka rà azo antoka”. Izany no lohahevitra entina anompanana ny taona iraisam-pirenena ho amin’ny fanomezan-drà antsitrapo eto amintsika, raha “Rà azo antoka ho an’ny rehetra” kosa no teny filamatra enti-mankalaza izany.
Mankalaza izany koa I Madagasikara anio 14 Jona, ka ao Antsirabe no hanokafana izany amim-pomba ofisialy. Nofidiana io faritra io noho izy anisan’ny kihon-dàlana ifamoivoizan’ny fitaterana sy ny olona maro amin’iny làlam-pirenena faha-7 sy faha-34 iny, ka itrangan-dozam-pifamoivoizana matetika.
Vonjy aina
Ny famindran-drà dia mamonjy aina maro isan-taona, satria matetika dia aretina tsy ampoizina no liana azy, hoy ny Pr. Julio Rakotonirina, Minisitry ny Fahasalamana. Anisan’izany ny fahaverezan-drà eo am-pitondrana vohoka sy eo am-piterahana. Eo ihany koa ireo olona iharan-doza isankarazany sy ireo voina mitarika fandidiana maika.
Ny fikambanana maneran-tany momba ny fahasalamana, hoy ihany izy dia mametraka tanjona fa amin’ny taona 2020 dia ho 100% ny rà avy amin’ireo mpanome rà antsitrapo maneran-tany.
Ny tanjon’ny fotoam-pankalazana, noho izany, dia ny fampahafantarana ny vahoaka ny antony ilana ny fanomezan-drà antsitrapo, ahafahana mampitombo ireo mpanome rà, izay mbola vitsy tokoa raha ny eto Madagasikara.
Fantatra eo amin’ny ara-tsiansa loatra fa tsy mbola vitan’ny olombelona ny mamorona rà.
Afaka manome rà
Afaka manome rà ny olona 18 ka hatramin’ny 60 taona, izay milanja 50 kilao farafahakeliny. Salama tsara izy amin’ny fotoana hanomezany rà ary olona tsy manana aretina mitaiza ary manambady tokana. Tsy mihinam-panafody na mitsindrona ihany koa izy, ary tsy misotro na mandray zava-mahadomelina.
Raha vehivavy kosa dia tsy mampinono, tsy behovoka ary tsy tonga fadimbolana. Araka ny fantatra dia mahasalama ary mahatanora lalandava ny fanomezana rà ary tsy atahorana ahazoana areti-mifindra. Entanina, noho izany, ny rehetra mba hanome rà fa tsy miandry olona marary vao hanolotra izany.
Araka ny voalaza dia mila kitapon-drà eo amin’ny 200 isam-bolana eo ny tompon’andraikitra mpikarakara izany ao Antsirabe manokana, miampy ireo hopitaly tsy miankina.
Faritra fito no misy ivon-toerana misahana ny famindrana rà eto Madagasikara ary anisan’izany Antsirabe.
Ramanana

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

