« Iangaviana isika izay mahita ny zaza miakanjo toy izao sy toy izao mba hampilaza ny manam-pahefana akaiky azy indrindra na hiantso ny laharana faha-….. Marihina fa niainga hianatra no nialany tao an-trano saingy tsy mbola nody izy hatramin’izao. Marihana fa salama saina tsara io zaza io !”
Tahaka izany no filazana re isan’andro isan’andro amin’ny radio samihafa eto an-drenivohitra ary hita amin’ny tambanjotra sosialy ihany koa izany.
Tato ho ato, amin’izao iray volana ho an’ny ankizy izao dia niroborobo fatratra ny tsy fahitana zaza, na very.
820 mahery no tsy hita
Araka ny loharanom-baovaon’ny mpitandro filaminana dia eo amin’ny zaza dimy (5) isan’andro eo no tsy hita, ka nandraisam-pitarainana, teto Antananarivo. Noho izany, 820 eo ireo zaza very nandritra ity taona 2019 ity.
Tamin’ireo fitarainana miisa 727 voaray dia zaza sy ankizy 623 no efa hita.
Araka ny fanazavana teny anivon’ny polisim-pirenena hatrany dia mifangaro amin’ny ditra ihany izao tsy fahitana ny zaza sy ny ankizy izao, ka hitsoahan’izy ireo ny tokantranon-dray aman-dreniny. Miisa 677, noho izany ireo ankizy nanao izany. Anisan’izany ireo ankizilahy telo vao 6 sy 8 taona, izay nanaovana filazana fahaverezany, kanjo hita teny Dorodosy Alasora, kanefa monina eny Ambohijanaka.
Araka ny fantatra dia bedin’ny ray aman-dreniny ny iray tamin’izy ireo, izay nitaona ny roalahy namany hitsoaka.
Mandray andraikitra ny mpitandro filaminana
Manentana ny ray aman-dreny, noho izany, ny tompon’andraikitry ny filaminana, ny amin’ny tokony hanarahan’ny ray aman-dreny maso ny zanany, amin’ny fanaterana sy fitsenana azy ireny any an-tsekoly. Eny, na dia efa misy aza ny polisy vehivavy izay natao hiaro ny ankizy, hita manodidina ny sekoly samihafa eny .
Mila avahana tsara ihany koa, hoy ihany izy, izany fahaverezan-jaza izany mba tsy hampisavorovoro ny saim-bahoaka ary entanina ny mpiserasera amin’ny tambanjotra sosialy mba hanadihady ny vaovao aeliny.
Ramanana

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

