Nampiaka-peo ireo fikambanana mivondrona ao anatin’ny firaisamonim-pirenena manoloana ny fitantanana tsy mangarahara eto amin’ny firenena amin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Misy vola 440,7 tapitrisa dolara avy amin’ny mpiara-miombon’antoka hiatrehana ny coronavirus, misy ny volam-panjakana madiodio natokana ho amin’izany, saingy samy tsy misy fantatra ny fomba ampiasana azy sy ny fomba nanatanterahana ny tsenam-baro-panjakana, hoy ny Firaisamonim-pirenena ahitana ny Transparency International, CCOC, ONG Tolotsoa, Hetsika Rohy,… Hentitra izy ireo nilaza fa ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana 2020 izay laniana amin’izao fivoriana ara-potoanan’ny parlemantera izao no tokony hamaly ireo fanontaniana ireo. Takian’izy ireo ihany koa ny hanambarana amin’ny rehetra ny drafitra ara-tsosialy hamehana na ny “Plan d’urgence sociale” hiadiana amin’ny valanaretina sy ny fangaraharahana momba ny fitantanam-bola izay nasiam-panovana ivelan’ny covid-19. Mangataka fivoriana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ny firaisamonim-pirenena.


