Nanao antso miantefa amin’izao tontolo izao ny loholona sady mpitsabo, ny Dokotera Kolo Roger, fa misy amin’ireo fanafody hafa izay nisy fiantraikany nanahirana tamin’ny fahasalamana nifamoivoy maneran-tany aza no nekena iraisam-pirenena. Ny “Covid Organics” na CVO izay an’ny malagasy dia manana taha ambonin’ny Artemesinine eo amin’ny 62 ka hatramin’ny 70% eo.
Ankoatr’izay dia misy kasinga feno otrikaina sy fanampin-tsakafo ao. Efa vita fanandramana izany ary efa hita ny fahombiazany. Miaina anatina tontolo mihetsika sy sarotra isika ka noho izany mila mailo mba tsy hinana am-bolony ireo fanehoan-kevitra mifamoivoy. Izaho dia isan’ny miaiky ny fahombiazan’izany Arthemesinine izany, hoy izy.


