Hiroso amin’ny fampiasana ny teknolojia vaovao ho enti-mitandro ny filaminana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny tompon’andraikitry ny filaminana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
Hisy, noho izany, ny ivon-toerana hitandroana ny filaminana ahazoana manampy ireo mpitandro filaminana amin’ny asany, ka indrindra ahafahana misoroka mialoha ny loza mety hitranga.
Hiara-hiasa amin’izany ny tompon’andraikitra rehetra, toy ny zandary sy ny polisy, eny na ny eo anivon’ny minisitera hafa ihany koa aza, hoy ny Jly Rakotonirina Richard, minisitry ny Fiarovam-pirenena, omaly, nandritra ny fitsidihana izany ivon-toerana izany.
Misy, hoy izy ny « logiciel » sy ny « carte numérique », ahazoana mijery amin’ny fotoana ilana azy ny andiana mpitandro filaminana manao fisafoana, ny olona miantso, ny loza mananontanona, ny fomba hamonjena izay tra-doza,… Hitatra tsikelikely hatrany ambanivohitra izany ka azo hetsehina ireo miaramila natao hampandry tany any an-toerana. Misy rahateo ireo fiara vaovao ka ho mora hita ny toerana mila vonjy ary ho haingana ny famonjena hatao, satria ho hita amin’ny sary ny toeran’ny olona miantso.
Azo antoka ny hisian’ny vokatra tsaratsara kokoa amin’ny fananana izao fitaovana ari-fomba izao. Ezahina, araka izany, ny hisian’izany manerana ny faritra rehetra eto amin’ny nosy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

