CAN 2019 : Hifampitana amin’ny Tonizia i Madagasikara amin’ny alakamisy

Nandresy ny ekipan’i Mali tamin’ny isa 1 no 0 ny Ivoriana omaly. Nisaraka ady sahala 1 noho ny 1 kosa i Ghana sy Tonizia, ka niroso tamin’ny « tir au but » ny roa tonta. Nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Tonizia (5 noho 4).
Valo, araka izany, ny ekipa tafakatra, dia i Sénégal, Bénin, Afrika Atsimo, Nizeria, Alzeria, Côte d’Ivoire, Tonizia ary Madagasikara.
Ny alarobia ho avy izao noho izany no hitohy ny lalao, ka hifandona amin’izany i Sénégal sy Bénin, Nizeria hihaona amin’i Afrika Atsimo. Ny alakamisy kosa no hifanandrina i Côte d’Ivoire sy Alzeria ary i Madagasikara hifampitady amin’i Tonizia.

Hitohy ny fanohanana

Araka ny fantatra dia hisy ny fandaminana, araka ny tenin’ny Filoham-pirenena, ny amin’ny  fanohanana ny Barea, ekim-pirenena malagasy, amin’izao hiakarany amin’ny ampahefa-dàlan’ny lalaon’ny CAN 2019. Heverina hisy hatrany, noho izany ny fiaramanidina , hitondra teratany malagasy ho any Ejypta, hijery sy hanohana mivantana izao ezaka lehibe vitan’ny ekipa malagasy izao.
Hipetraka ho tantara lehibe eo amin’ny sehatry ny baolina kitra maneran-tany izao fiakaran’ny ekipa malagasy amin’ny dingana ambony izao. Hany ka rariny loatra ny hisian’ny fanohanana azy amin’ny fomba rehetra. Anisan’izany ny fitondran’ny fiangonana sy ny mpino ao aminy am-bavaka ireny lalao ireny, toy izay nisy tetsy amin’ny Fiangonana FJKM Ankazomanga. Fiangonana izay mitaiza an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida rahateo ka nanao fotoam-pivavahana ho azy sy ny Barea manokana ary nandrindra ny fijerena baolina tao an-trano fiangonana, ny alahady lasa teo.

Vous aimerez aussi