Tafakatra ho amin’ny dingan’ny ampahefa-dàlana ny Barea, ekipam-pirenen’i Madagasikara.
Nampitsanga-mitoetra ny lalao nifanandrinany tamin’ny ekipan’i RD Congo, ny alahady lasa teo, teo amin’ny kianjan’i Alexandria, satria nirava ady sahala 2 noho 2 ny lalao teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna 90 mn.
Araka izany dia niroso tamin’ny fanalavam-potoana 30 mn ny lalao kanefa nijanona tamin’io isa sahala io hatrany ny vokatra.
Noho izany, niroso tamin’ny « tir au but » ny andaniny sy ny ankilany, ahitana izay tena ho mpandresy. Nandritra izany no nibatan’ny Barea ny fandresena satria nahafaty baolina 4 ny Malagasy raha 2 ihany kosa ny an’ny Kongole.
Nahafaty baolina avokoa ireo mpilalao malagasy nalahatry ny mpanazatra. Tsy nahafaty kosa ny roa tamin’ireo leoparan’i Congo.
Koa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara izao fandresena goavana azony izao, izay hitondra azy ho amin’ny ampahefa-dàlan’ny CAN 2019 izao.
Sambany no tafakatra amin’ny dingana tahaka izao i Madagasikara teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra aty Afrika. Tretriky ny hafaliana, noho izany, ny teratany malagasy maneran-tany.
Horakoraka, siotsioka, vely daba,…. no nameno ny arabe rehetra manerana ny nosy ny alin’io. Hita ho nampiray fo ny Malagasy rehetra ny baolina kitra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

