FIRAISAMONIM-PIRENENA : Aok’izay ny tsimatimanota !

Aoka izay ny tsimatimanota eto amin’ity firenena ity !  Koa mangataka ny Fitsarana mba hijoro amin’ny fahaleovantenany sy hanao tsara ny asany amin’ny tsi-fitanilana. Anisan’ny fanambarana nataon-dRtoa Fara Ramaroson, avy amin’ny firaisamonim-pirenena izany, manoloana ny raharahan’ny Solombavambahoakan’i Mahabo, Ludovic Adrien Raveloson (na i Leva). Ary mbola namafisin’ny fikambanana tamin’ny fanambarana tamin’ity maraina ity.

Mbola sarotra amin’ny Mpitsara

Mbola sarotra ho an’ny Mpitsara ny mampihatra ny lalàna amin’ireo olona manana fahefana eto amin’ny firenena, hoy ihany ny firaisamonim-pirenena.

Niainga tamin’ny fanomezana fahazoan-dàlana miasa any ivelan’ny fonja manko ity depiote ity ary nitohy tamin’izao  fanomezana fahafahana vonjimaika azy izao.

Ary tsy mbola hita ity depiote teo aloha ity, izay namoahana didy fifakarohana sy fampisamborana.

Raha ny marina anefa, tsy tokony hivoaka ny fonja  io olona io noho vesatry ny fiampangana miandry azy.

Ampiharo ny lalàna

Manoloana izany dia manao antso avo ny firaisamonim-pirenena : « Ampiharo ny lalàna amin’ny olona rehetra ary ataovy ao anatin’ny fitovian-jo tsy mitanila izany ! ».

Maro moa ny hetsika efa nataon’ny firaisamonim-pirenena. Anisan’izany ny fidinana ifotony tany amin’ireo valan-javaboahary maro ka nahitana ny zava-misy marina eny. Koa efa nisy ny dingana ara-pitsarana sy ara-panjakana nataon’izy ireo manoloana izany.

Efa nanao fitoriana mikasika io fanomezan-dàlana hiasa ivelan’ny fonja io ihany koa ny firaisamonim-pirenena ary manao ny asa fanentanana hatrany.

Nomarihin’ny firaisamonim-pirenena àry fa tsy ny Fitsarana ihany no manao ny tsy mety saingy ny Fitsarana no kitro ifaharan’ny ady amin’ny kolikoly. Koa tokony hiainga avy any ny ohatra tsara rehetra.

Rehefa voafehy tokoa ny lalàna dia manaraka ho azy ny rehetra, indrindra fa ventesina ho tany tàn-dalàna ny eto.

Vous aimerez aussi