Tsy mbola tonga teny Ambohitrimanjaka hatreto ny Minisitra Lefitry ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa vaventy, izay vao votendry mba hihaoana amin’ny mponina voakasiky ny tetikasa Tanà Masoandro hatramin’izay nanendrena azy.
Tsy mbola nandefa iraka nanao fanadihadiana ifotony ihany koa izy, hoy ny solontenan’ny mponina, Eric Randrianaivo, kanefa tokony hanatanteraka izany. Ny tsy fisian’izay manko no anisan’ny lesoka teo aloha. Raha natao mialoha anefa izany dia fantatra ny tena hevitr’Ambohitrimanjaka sy ny kaomina manodidina azy.
Afaka mifampidinika
Efa teny an-toerana ny iraka avy amin’ny Prezidansa kanefa tsy nahavaha olana. Tsy mbola hita kosa ny Minisitra vaovao na ny iraka alefany.
Afaka mifampidinika tsara anefa satria samy malagasy, hoy hatrany ity solontenan’ny mponina ity. Azo atao ny mifanadihady tsara amin’izay tena mahasoa ny vahoaka eny an-toerana.
Nanteriny hatrany fa tsy manohitra ny fampandrosoana ny mponina, saingy atao ahoana kosa ny fiveloman’ireo vahoaka miisa 40. 626 eny an-toerana ?
Aiza ny fanadihadiana ?
Ankoatra izany dia mitaky ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Ministera ihany koa ny mponin’Ambohitrimanjaka. Dia ny fanadihadiana afahana manatanteraka na tsia ny asa, satria tsy mety atao varotra omby anaty ambiaty izao raharaha izao.
Nampahatsiahiviny moa fa misy hatrany ny hetsika hatao eny an-toerana isaky ny sabotsy mba ho fanoherana izao fanotofana tanimbary kasain’ny Fitondrana hatao izao.
Na izany aza, afaka miresaka am-pilaminana tsara ny Fanjakana sy ny vahoaka.


