Hisy ny sazy henjana ho an’ireo mpivarotra manararaotra ! Nisy ny filankevitry ny ministra manokana izay notanterahina teny Ambohitsirohitra ny talata lasa teo, nandraisana fepetra hentitra mikasika ny fihanak’ilay valan’aretina Coronavirus. Tapaka tao anatin’io filankevitry ny ministra io, fa tsy azo ataon’ireo mpivarotra sy mpaninjara ny mampiakatra ny vidin’entana ilaina andavanandro, ka anisan’ireny ny vary. Raha 2100 ka hatramin’ny 2200 ariary ny kilaon’ny vary, dia noraisina ny fepetra ary tsy maintsy mijanona ho 1800 ariary ny kilaon’ny vary manomboka anio alarobia. Tsy tokony hanafina fanafody toa ny “paracétamol” koa ireo mpivarotra ary tsy hampiakatra ny vidiny. Anio alarobia ihany koa no hidina hijery akaiky ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro ny ministry ny varotra sy ny indostria. Hentitra ny fepetra sy ny sazy ho an’ireo mpivarotra mandika lalàna sy ireo fepetra efa noraisina. Tapaka tao anatin’io filankevitry ny ministra io ihany, fa hanafatra fanafody sy fitaovana manokana mba hisorohana io aretina Coronavirus io ny fitondrana. Hatreto mbola nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina, fa mbola tsy tonga eto amintsika io aretina io. Tsy nisy io valan’aretina io koa ny tany Nosy Be Hell Ville sy tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, fa tsaho naely, hoy ny ministry ny fahasalamana. Efa hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny fitondram-panjakana mba hisorohana ity aretina ity tsy hiditra eto amintsika, hoy hatrany ny fanazavana voaray.


