FIATREHANA NY CORONAVIRUS : Hikatona tanteraka i Madagasikara

Haato mandritra ny 30 andro ny sidina rehetra mampitohy an’i Madagasikara amin’ny any ivelany manomboka ny zomà 20 marsa ho avy izao. Izany no anisan’ny fepetra noraisin’ny Fitondrana  nandritra ny Filankevitry ny minisitra manokana natao tetsy amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly.

Notsiahivina fa ireo mpandeha rehetra tonga etsy amin’ny seranan’Ivato, mialoha ny alakamisy alina izao kosa dia tsy maintsy handraisana fepetra avokoa, amin’ny fitsirihana sy ny fanokana-monina.

Ampitomboina ny fitaovana

Nomena alalana hividy mivantana any amin’ireo mpamokatra  fitaovana ilaina kosa ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Tsy hisy, araka izany, ny tolo-barotra hatao noho ny hamehana.

Ampitomboina koa ireo entana sy fitaovana hiarovana sy hisorohana ny valanaretina efa nafaran’ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny OMS, hamehezana ity aretina ity.

Voaomana ireo toerana

Misy ny hotely miisa 17 efa vonona ny hanome ny tranony mba hametrahana ireo olona tsy maintsy hahiboka.

Nanome ny toerana eny Vontovorona ihany koa ny Cnaps mba ho an’ireo olona avy any amin’ny faritra mila fitokana-monina. Tsy maintsy manaraka ny fepetran’ny 14 andro kosa izy ireo ary mahavoasazy ny tsy fanarahana izany. Hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso azy ireo.

Aok’izay aloha ny tsaho

Nampitandrina ireo mpanely tsaho  ny Filankevitry ny Minisitra. Aoka mba tsy hampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’ny famafazana vaovao tsy marina mikasika ity valanaretina ity ny tsirairay.

Nambara tamin’izany fa tsy mitombina velively  ny filazana fa namoaka vaovao momba ny fisian’ny olona 5 matin’ny Coronavirus tany Nosy Be ny gazety frantsay « Le Figaro ».

Samy haka fepetra ny tsirairay

Efa maka ny fepetra rehetra mikasika ny fiarovana amin’ity areti-mandoza ity, araka izany, ny Fitondrana. Avy amin’ny tsirairay kosa ny ezaka hanaraka ireny fepetra ireny, indrindra ny amin’ny fitandroana hatrany ny fahadiovana.

Ho an’izay olona avy any ivelany ahiana kosa dia tokony hanaja ny fotoana fihibohana izy ireny sao sanatria mitondra ilay valanaretina.

Diso mora mifindra loatra ity Coronavirus ity ka ilana fitandremana lalina.

Vous aimerez aussi