FIFEHEZANA NY ASAN-JIOLAHY : Hametraka paikady manakaiky vahoaka ny zandary

“Tsy natao ambanin-javatra ny fanampiana na ara-bola na ara-pitaovana mba ho entina hamporisihana ireo zandary amin’ny asany ary ny tanjona ny hanafoanana ny antony mety hahasarika azy ireo amin’ny fiarahany miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy” hoy ny jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny zandarimariam-pirenena. Ezaky ny Minisitera ny fanaparitahana “Compagnie de Brigade “ isaky ny Distrika sy “Brigade de Sécurité Routière “ isaky ny kaominina, hampitaovana ny tobin’nyzandarimaria  rehetra. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra voalohany ity kosa fa tsy misy na iza na iza ambony lalàna eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Porofon’izany ny fisian’ireo zandary nogadraina izay voarohirohy tamin’ny resaka “Kidnapping” sy asa-ratsy samy hafa ary nahitana manamboninahitra ambony izany. Midika izany fa izay manao ny tsy mety dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna. Nanazava izy fa ny fametrahana paik’ady manakaiky vahoaka mikasika ny resaka fandriam-pahalemana sy filaminana miaraka amin’ireo solontenam-panjakana eny amin’ireny distrika, kaominina ary faritra ary hiaraha-miasa amin’ireo vahoaka sy ireo olom-boafidy ao an-toerana izay mahalala tsara ny zava-misy no entina hamongorana hatrany ifotony ny asan-dahalo no tanjona amin’izany.

Vous aimerez aussi