Taorian’ny fitarainan’ny olona marobe mikasika ny findangan’ny faktioran’ny jirama raha oharina amin’ny teo aloha dia fantatra fa natsangana eo anivon’ity orinasa iray ity ny vovonana hihaino sy handray ireo mpajifa manana olana. Ireo olona miantso ireo tompon’andraikitra mandray ny antso ao amin’ny ivon-toerana miandraikitra ny mpajifa no miandraikitra izany voalohany ary mandefa ilay mpajifa any amin’io vovonana io. Misy ny fifampidinihina teo amin’ny roa tonta nandritra izany ka hitondran’ny an-daniny ny maharary azy raha miezaka manazava ihany koa ny an-kilany tao anatin’izany. Tsiahivana moa fa ny laharana 3547 no ahafahana mifandray mivantana amin’ireo tompon’andraikitra misahana ny mpanjifa eo anivon’ny jirama raha toa ka misy nyolana. Ankoatra ny fidangan’ny faktiora dia azo hatao tsara ny miantso azy ireo mikasika ny jiro tapaka na ny rano vaky any amin’ny toerana ahitana izany mba ahafahana mitady vahaolana haingana.


