FIFAMOIVOIZANA : Tapitra hatreo ny fiantsonana manokana

Tapitra tamin’ny 31 desambra lasa teo ny fisian’ny fiantsonana manokana rehetra (na parking réservé) eto an-drenivohitra, araka ny fampahatsiahivana nataon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Tsy misy, araka izany, ny fahazoan-dàlana manao izany, mandra-pisian’ny fandaminana vaovao.

Nomarihin’ny CUA kosa anefa fa tsy voakasik’izao fandaminana izao ny fiantsonan’ny taxi.

Andrasana kosa ny fahavitan’ny tetibolan’ny kaomina amin’ity taona 2020 ity sy ny fandaminana vaovao vao hisy ny fanambarana mikasika indray ireny parking ireny.

Manoloana izany dia manantitra ny kaominina fa tsy misy olona afaka hilaza fa manana fahazoan-dàlana hanana toeram-piantsonana manokana eto Antananarivo Renivohitra, satria tsy mbola nisy ny famoahana fahazoan-dàlana ho amin’izany amin’ity taona 2020.

Entanina, araka izany, ireo nanana fahazoan-dàlana teo aloha mba tsy hampiasa ka hanala tsy misy fepetra ireny sakana eny amin’ny sisin’arabe ireny, toy ny « panneau » rojovy, hazo, vato, kodiarana, …satria hihatra amin’izay mbola mampiasa izany ny sazy.

Vous aimerez aussi