Tsy milamina loatra ny tontolon’ny serasera amin’ny ankapobeny. Misy ny fandroahana sy famindrana mpiasa eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana, teo ny fisoketana mpanao gazety ka nisavana ny tranony, nisy ny fakana mpanao gazety tsy salama eo am-pandriana, ary farany teo ny fametraham-pialan’i Didi Ratsimbazafy tsy ho mpanolotsain’ny Minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy intsony. Didi Ratsimbazafy moa dia Filoha lefitry ny Holafitry ny Mpanao Gazety.
Firaisan-kina
Firaisan-kina eo anivon’ny samy mpanao gazety no namakian’ny namana rehetra izao fialan’i Didi izao. Nambarany fa noho ny tsy fetezan’ny fifangaroan’ny asa fanaovan-gazety sy ny asa eo anivon’ny Ministera no antony nametrahany fialana, satria misy ny fanapahan-kevitra mifanohitra.
Namana sady mpiara-miasa akaiky hatrizay tamin’ny Minisitra ankehitriny ity mpanao gazety ity.
Tsy maintsy nataony anefa izao fametraham-pialana izao satria tsy afaka miaro ny mpanao gazety intsony izy manoloana ny fihetsika ataon-dRamatoa Minisitra. Mifanohitra ny zavatra hafa kanefa asan-gazety no tokony himasoana.
Noho izany, nanapa-kevitra ny hijoro amin’ny maha-mpanao gazety azy i Didi ary vonona ny hiaro ny mpanao gazety namany.
Iharan-doza ny asa fanaovan-gazety
Tato ho ato dia tsapa fa voaelingelina tokoa ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Fantatra fa mpanao gazety 52 avy amin’ny Ofisy misahana ny Radio sy Televiziona Malagasy (ORTM) no noroahina, kanefa efa niasa am-polo taona mahery.
Teo koa ny sarika am-pandriana nianjady ny namana Harifidy Ramanandraibe, izay voasoketa ho mitam-piadiana tsy ara-dalàna kanefa tsy nahitana na inona na inona. Heverina ho fanaovana ramatahora ny mpanao gazety izany fihetsika izany.
Na izany aza, misy hatrany ny sahy mijoro amin’ny fanaovana ity asa masina ity na dia eo aza ny fanelingelenana noho ny antony ara-politika. Misy fiantraikany amin’ny olom-pirenena tokony hahalala ny vaovao marina anefa ny fanohintohinana ny mpanao gazety.
Andrasana, noho izany, izay mety ho fanapahan-kevitry ny Lehiben’ny Governemanta sy ny Filoham-pirenena amin’izao ankatoky ny tokony ho fanamboarana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta izao.


