Nodimandry io maraina io, teo amin’ny faha-65 taonany ny Filoha Nasionalin’ny Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara (na ny AKFM), Eric Rakotomanga.
Voafidy ho Sekretera nasionalin’ny antoko izy rehefa nodimandry ny Sekretera Jeneraly, Gisèle Rabesahala.
Efa nitantana ny KDTM, izay sampana nitantana ny tanora teo anivon’ny antoko ihany koa izy. Ary efa mpikambana tao amin’ny sendika FISEMARE ihany koa. Anisan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny gazetin’ny antoko, Imongo Vaovao koa i Eric Rakotomanga.
Manam-pahaizana ambony momba ny raharaham-bola izy ary nahavita fianarana momba izany tany Sovietika. Saingy nifidy ny hanompo ny firenena tamin’ny alalan’ity antoko ity.
Ny AKFM tokoa moa no antoko zokiny indrindra mijoro eto amin’ny firenena, satria ny taona 1958, taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena no nijoroany, ka ny Pasitera Andriamanjato Richard no Filohany tamin’izany.
Nijanona hatrany tao amin’ny AKFM ity Filoha Nasionaliny ity na dia nisy aza ny fivakisany ka nijoroan’ ny AKFM-Fanavaozana.
Araka ny fampilazana moa dia andrasana ao amin’ny Foiben’ny AKFM, etsy Andravoahangy Ambony ny nofo mangatsiakany.
Ny gazety Agence Malagasy de Presse (AMP) dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany.


