FEPETRA NAPETRAKY NY FILOHAMPIRENENA : Mbola nisy ny nandika izany, feno olona ny arabe

Efa nilaza tao anaty fanambarana nataony ny alahady lasa teo ny filohampirenena, fa tokony tsy hivoaka ny trano ny olona mba hisorohana ny fiparitahan’ilay valan’aretina coronavirus. Efa nahatratra 12 mantsy ireo olona voan’io aretina io eto amintsika, hoy ny vaovao ofisialy navoakan’ny filoha Andry Rajoelina. Amin’ny ankapobeny anefa dia saika tsy voahaja izay fepetra napetraky ny fitondram-panjakana izay. Ohatry ny tsy dia rototra loatra amin’ity aretina Coronavirus ity eto amintsika koa ny olona, fa toa minia mbola mivoaka ny trano sy mitady vola ary feno azy ireo ny arabe, toa ny teny Behoririka, Andravoahangy, Besarety, Ambohimanarina. Io marina io dia tsy dia nahitana fiara fitaterana taksibe sy taksia teto andrenivohitra, fa fiara madinika no maro nivezivezy,ary saika nandeha an-tongotra ny ankamaroan’ny olona. Mbola manao antso avo hatrany ireo tompon’andraikim-panjakana, fa tokony hanaraka ny fepetra rehetra napetraky ny filohampirenena ny olom-pirenena, mba tsy hivoaka ny trano fa hijanona any an-trano mba tsy ho voan’ity aretina ity, hoy ny fanazavana.

Vous aimerez aussi