FANARAHA-MASO IREO OLONA MITOKA-MONINA : Fiara miisa 70 no hampiasaina

Fiara tsy mataho-dàlana miisa 70 no tonga io maraina io teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato mba hanampy amin’ny fisafoana sy fanaraha-maso ny toe-pasahalaman’ ireo olona voa sy ahiana mitondra ny tsimokaretina Coronavirus.

Miisa 1253 ireo mitoka-monina

Araka ny vaovao dia miisa 1 253 ireo olona atoka-monina amin’izao fotoana izao, ka ny 1 178 dia eto Antananarivo. 70 kosa ny any Toamasina, 1 ao Antsirabe, 1 any Nosy Be, 1 any Toliara, 1 any Mahajanga ary 1 any Antalaha.

Olona miisa 12 kosa no mitondra ny aretina ary 19 no ahiana.

Ampiasaina, araka izany, ireo fiara ireo, mba hijery mivantana ireo olona tokony hitoka-monina, indrindra ireo any an-tokantranony avy.

Olona 22 no tadiavina

Amin’ireo olona 145 nandeha tamin’ny sidina MD 051, ka tonga teto Madagasikara ny 19 marsa teo dia ny 112 no namaly antso an-telefaonina raha nantsoina mikasika ny fahasalamany sy ny fanarahany ny fepetra tokony ho raisina.

Ny 22 kosa dia tsy tratra antso ary 1 tsy namaly. Izany indrindra no ilana ireo fiara ireo ka hanaovana fisafoana azy ireo any an-tokantranony avy.

Raha tsy hita izy ireo dia hanaovana didy fikarohana ka hosamborina ho tanana amin’ny toerana sahaza azy.

Fanafody : fanarahana fitsipika

Entanina mandrakariva, noho izany, ny tsirairay, indrindra ireo ahiana mitondra ny tsimokaretina mba hanaraka ny fepetran’ny fitokana-monina.

Ny olom-pirenena tsotra koa dia manana andraikitra ny hanoro azy ireny amin’ny manam-pahefana.

Ny fanarahana ny fitsipika manko no voalohany tokony hatao amin’ny ady atao amin’ity coronavirus ity, ankoatra ny fitanana hatrany ny fahadiovana sy ny fepetra ara-pahasalama tokony horaisina.

Vous aimerez aussi