Na dia eo aza ny zavamisy mikasika ny valan’aretina Coronavirus, ny raharaha ara-toekarena ao amin’ny faritra Boeny dia mandeha hatrany araka izay azo atao sy manaraka ny fepetra mifandraika amin’ny hamehana ara-pahasalamana napetraky ny fitondram-panjakana. Araka izany dia namory mpanao gazety tany an-toerana, tao amin’ny birao fiasany ao amin’ny « Bloc administratif » Ampisikina ny Lehiben’ny faritra mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Clavelah, nanambara fa misokatra ny alatsinainy 18 May ny taom-pamarotana sy fividianana ary fanondranana ny lojy mainty maso na « Black eyes ». Nanotrona ny Lehiben’ny faritra tamin’izao fanambarana izao ny Komity teknikan’ny Vovonam-paritra misahana ny « Black eyes » ao Boeny, dia ireo tompon’andraikitry ny Foibem-paritra sy ireo mpanao tan-tsoroka ara-bola sy teknika misahana ity Seham-pihariana ity ao amin’ny faritra. Marihana fa maro ny karazana lojy vokatra ao amin’ny faritra Boeny, fa ny lojy mainty maso na « Black eyes » no tena sangany ary mampalaza an’i Boeny. Misy rojom-pihariana maro no mivelona amin’ny “Black eyes », manomboka amin’ny mpamboly, mandalo amin’ny mpivarotra masomboly sy fanafody ary zezika. Eo ihany koa ny mpanangom-bokatra sy ny mpivarotra, ireo mpifantina voa (mpanao triage) ary ireo mpanondrana azy any ivelany. Ireo rehetra ireo, araka ny efa voalazan’ny Lehiben’ny faritra dia tsy maintsy manaja ireo fepetra rehetra voalaza amin’ny Fahamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara mandritra ity taom-pamarotana “Black eyes » 2020 ity.


