DOBO ANALAKELY : Nisy ramatoa nandro

Mafana ihany aloha ny andro na dia efa hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza izao. Ramatoa iray no nigagan’ny vahoaka androany alatsinainy maraina fa nandro soa aman-tsara teo amin’ny dobo manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Nitangorona nijery ny olona satria tranga mbola tsy fahita mihitsy ka nifampanontany ny rehetra raha tena salama saina tsara ilay olona, saingy tsy nisy nahafantatra. Marina aloha fa efa lafo ny ranon’ny Jirama, ka mety izany angamba no nandroany teo amin’ny tsy vidiam-bola fa mba maimaim-poana.

Ny tena olana anefa dia ireto olona nitangorona, tsy nisy nahatsiaro tena hoe mety ho zava-doza ny ateraky ny tsy fanajana ny elanelana 1 metatra, ary ny tsy fitandremana kely tahaka izao dia mety ho vidiana lafo ny vokany ka ireo tsy manan-tsiny hafa no mety hiparitahan’ny aretina !

Vous aimerez aussi