Hiaka-tsehatra indray eto Antananarivo ny tarika Farah John’s ao amin’ny “Le Glacier” Analakely ny zoma 1 novambra 2019 izay miatomboka amin’ny 8 ora alina.
Hafana ny lanonana satria dia tarika feno miaraka amin’ny mpandihiny no ho avy ao. Hatao amin’io avokoa ny hira nahafantarana azy hatramin’izay toy ny “Tsy kivy”, “Assurée”, mandalo ny “Tambatambaza”, “Tsy miala aminao”, “Jalousie”, “Aza mifagnambany” ka hatraty amin’ny “Milamina” izay hira vaovao tokoa.

Raha ny fotoana no jerena dia haharitra any amin’ny ora dimy any ho any ny fiarahana amin’ireo izay tonga ao. Nampanantena ry Farah John’s fa tsy misy ho diso anjara ny rehetra amin’io satria dia hahazo izay tandrify azy avokoa.
Tsy nitsahatra niakatra ny lazan’i Farah John’s nanomboka ny taona 2009 izay nanombohany nandeha irery ka hatramin’izao. Ary mbola mikaroka ny tsara hatrany eo amin’ny mozika atao mba hanomezana vokatra tsara ho an’ny mpankafy.
Ny tohin’ny hetsika dia hanao fitetezam-paritra any amin’ny faritr’i Vohémar iny ry zareo manomboka amin’iny volana desambra iny ary eto an-tanindrazana no hanao ny fetin’ny faran’ny taona 2019.


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

