SAVOROVORON-TSOLIKA : Nametra-pialana ny Tale Jeneraly

Nametraka ny taratasy fialany tsy ho Tale Jeneralin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (na  OMH) intsony i Laurent Rajaonarivelo, alina.

Notolorany izany fametra-pialana izany ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny OMH, ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, ary nahazo dika mitovy amin’izany koa ny Minisitry ny Angovo sy ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga.

Nasaina niala ?

Azo ambara ho mikasika indrindra ny fisian’ny savorovoro ara-tsolika nisy teto an-drenivohitra no anton’izao fametraham-pialan’ny tompon’andraikitra ambony izao. Nahatsiaro ho nanao an-tandrevaka teo amin’ny asany tokoa ve ity Tale Jeneraly ity ka nanana fanetretena hiala sa noho ny kajikajy ara-pitantanana dia nasainy nanao izao fametraham-pialana izao ? Raha ny fantatra manko dia vao tamin’ny taon-dasa, 2018 izy no nandray ny fitarihana ity orinasa ity.

Vao ny fametraham-pialana moa no napetrany fa tsy mbola fantatra kosa raha heken’ny tompon’andraikitra amboniny izany na tsia. Ho hita eo ihany izay ho tohiny.

Disadisa

Na inona mety hanekena na tsia ny fialan’ity Tale Jeneraly ity dia fantatra fa miaina ao anatin’ny savorovoro sy disadisa ny fandraharahana ara-tsolika eto amintsika. Misy akony eo amin’ireo kaompania roa niharan’ny sazy koa manko ny fampandoavana lamandy azy ireo noho iny raharahan-tsolika iny. Efa mandeha ny feo fa tsy hanefa io sazy io izy ireo ary mety hiantso mpanao gazety ato ho ato.

Fantatra moa fa ny solika no hozatry ny fiainana ankapobeny satria iankinan’ny fampandrosoana ny zava-drehetra ary fototry ny disadisam-piaraha-monina ihany koa.

Vous aimerez aussi