FANDRAISANA NY PAPA : Nijery ny fotodrafitrasa ny Filoham-pirenena

Tonga nijery ny fivoaran’ny fanamboarana ny fotodrafitrasa handraisana ny Papa François teny Soamandrakizay Androhibe ny Filoham-pirenena ny alarobia maraina teo.

Tsy maintsy ho vitaina mialoha ny 20 Aogositra ny asa rehetra amin’izany toerana izany, araka ny toro-marika nomeny.

Toera-malalaka mirefy 70 Ha eo ho eo ity toerana ity. Eo amin’izany no hanatanterahana ny lamesa lehibe, ny 10 septambra ho avy izao, mandritra ny fitsidihana hataon’ny Papa François eto Madagasikara.

Vita 95% ny asa

Araka ny fantatra dia ny 95%-n’ny asa no efa vita. Efa mijoro amin’ny ampahany ny toerana hanaovana ny sorona masina ary efa manomboka ny famefena ny toerana.

Maherin’ny 140 ny toeram-pivoahana hapetraka, ankoatra ireo toeram-pidiovana.
Hisy ny jiro lehibe na ny projecteurs maherin’ny 150 ary fisintoman-drano lehibe efatra (4) avy any ambanin’ny tany no hatao.

Hiavaka amin’ity toerana ity ny lalana hivoahana sy hidiran’ny Papa, ahazoany miarahaba sy mandray tànana ny mpivavaka.

Hampiasaina mandritra io fotoana io ihany koa ny teknolojia avy any Inde, izay tsy hampitorajofo ny vovoka, noho ny famafazan-drano simika eny an-kianja.
Fantatra moa fa vaomiera manokana no hisahana ny fandriampahalemana eny an-toerana mandritra io fotoan-dehibe io.

Ankoatra ny Filoham-pirenena moa dia niara-dia taminy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, ny minisitry ny Fanajariana ny tany.
Hisy moa ny hetsika sy seho an-tsehatra hataon’ny mpino katolika, eny amin’ny Coliséum Antsonjombe, ny Alahady ho avy izao, ho fanomanana ny fandraisana ny Papa izay hitsidika eto amintsika ny 06 ka hatramin’ny 10 Septambra ho avy izao.

Vous aimerez aussi