Ny fitsaboana maha-olona eny amin’ny hopitalim-panjakana mba hitsinjovana ireo marary ka hanomezana azy ny fitsaboana sahaza. Izany no ventin-kevitra nanompanana ny fiofanana sy fampiofanana ireo tompon’andraikitry ny fitsaboana eto amin’ny hopitaly dimy misy eto an-drenivohitra, ny alarobia 24 jolay teo, teny amin’ny hopitalin’Anosiala.
Haharitra efarana ity fampiofanana tarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Tolotra ara-pahasalamana, ny Pr. Solofomalala Gaëtan Duval ity.
Ankoatra ny fiofanana sy fampiofanana dia misy ny fifampizarana amin’ny fanomezan-danja ny fitsaboana, ahazoana manatsara ny fitsaboana eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Misy rahateo ny fandraisana sosonkevitra avy amin’ny marary sy ny fianakaviany izay tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Ho jerena akaiky, noho izany, ny andraikitry ny mpitsabo mandritra izao fiofanana izao mba hitondra lanja amin’ ny fitsaboana ny maha-olona. Hojerena amin’izany ny fandraisana ny marary sy ny fianakaviany, ny fifandraisan’ny marary sy ny mpitsabo. Noho izany, ho jerena manokana ihany koa ny serasera amin’ireo sokajin’olona ireo, ahazoan’ny marary sy ny mpitsabo samy hahalala ny zony avy.
Ho faranana amin’ny drafitrasa izay hentin’ny hopitaly tsirairay avy izao fiofanana sy fampiofanana ary fifampizarana izao. Ho lavitra anefa ny ezaka ka tsy maintsy hisy hatrany ny fanaraha-maso amin’izay fiofanana vita.
Marihina moa fa efa an-taona maro no nisian’ny hetsika tahaka izao teny anivon’ny hopitalim-panjakana ka hamafisina indray izany izao, ho an’ny hopitaly manerana an’i Madagasikara.
Efa nisy, ohatra, ny fiofanana natao tao amin’ny hopitalin’Androva tao Mahajanga, ny taona 2012, saingy niompana fotsiny tamin’ny fiofanana momba ny Reny sy ny Zaza ihany izany. Teo ihany koa ny tany Fianarantsoa sy Antsiranana,…. izay samy efa nanao ny fiofanany.
Ny tanjona dia ny hisian’ny fitsaboana manaraka ny fenitra iraisan’ny firenena rehetra maneran-tany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

