FITOKANANA NY « LALANA ZAFY ALBERT » : Mba hanjaka ny fahamarinana

« Mba hanjaka tokoa ny demokrasia, ny fampihavanana ary indrindra ny fahamarinana ». Ambeti-tenin’ireo nandray fitenenana izany, nandritra ny fitokanana ny Làlana Zafy Albert, teny Alarobia Ivandry, izay notarihan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

Làlana mirefy 700 metatra ity làlana ity. Manomboka eo amin’ny « stade »-n’Alarobia ka hatreo amin’ny fiolanana hihazo an’Analamahitsy.

Làlan’ny demokrasia

Tsy ny fitokanana ny làlana ny zava-dehibe fa ny fitokanana ny làlana mankany amin’ny demokrasia, hoy ny komity nandray fitenenana. Koa na dia natao ho « làlana Zafy Albert » aza izy ity dia maro sahady no namadika azy ho Làlan’ny demokrasia sy ny Fampihavanam-pirenena, satria rain’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena rahateo no nampalaza an’Itompokolahy Zafy Albert fony fahavelony.
Izy ihany koa anefa no filoham-pirenena tsy mba nanana harena diso tafahoatra na miliaridera tamin’ireo filoham-pirenena nifandimby teto, satria olon-tsotra tsy nitandro afa-tsy ny fahamarinana, ka tokony ho tazomina ny fotokevitra nijoroany.

Hisy ny tsangambato

Ny 13 Oktobra ho avy izao kosa no hitokanana ny tsangambato izay mitondra ny anaran’i Pr. Zafy Albert, etsy Antaninarenina.
Olomanga teto amin’ny firenena, satria ankoatra ny naha-Filoham-pirenena azy dia mpitsabo manam-pahaizana nanana ny lazany tokoa izy ary koa mpikambana teo anivon’ny Akademia Malagasy ary mpitarika ny antoko politika UNDD.
Nitaky ny fahamarinana izy ary niady ny tsy hisian’ny elanelana be loatra teo amin’ny sarangam-piaraha-monina. Rariny, noho izany, raha hametrahana fahatsiarovana tahaka izao ity Rain’ny Fampihavanana ity.
Nampidiriny tao anatin’ny filamatry ny Repoblika Malagasy moa ny Tanindrazana – Fahamarinana – Fandrosoana , saingy nalana ilay Fahamarinana tany amin’ny taona 1997 tany.
Marihina moa fa nanome voninahitra ity fotoam-pitokanana ity, ankoatra ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa ary ny minisitry ny Atitany sy ny Fifatsinjaram-pahefana.

Vous aimerez aussi