FANADINANA CEPE : Ankizy 8 taona ny mpiadina zandriny indrindra

Ankizy  valo (8) taona no zandriny indrindra ary 24 kosa ny zokiny indrindra, amin’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany na ny CEPE omaly faha-27 aogositra 2019.
Samy vehivavy izy ireo ary samy mpiadina eto Antananarivo avokoa.
Mitontaly  524.997 kosa ny isan’ireo ankizy hiatrika ity fanadinam-panjakana voalohany ity manerana ny nosy.

Mihena ny mpiadina

Azo ambara ho nahitana fidinana ny isan’ny mpanala CEPE tamin’ity taona ity. Ho an’Antananarivo manokana manko, raha 31.370 ny isan’ireo mpiadina tamin’ny taon-dasa dia nihena 9% izany tamin’ity taona ity, izany hoe nidina  ho 28 715.
Olana ara-tsosialy maro samihafa no antony mahatonga izany, hoy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Mibahan-toerana amin’izany ny fahantrana ka tsy afahan’ny ray aman-dreny mividy na ny fitaovam-pianarana aza. Mainka moa fa ny saram-pianarana sy izay mety ho takiana isaky ny mpianatra. Eo ihany koa ny tsi-fahampian-tsakafo ho an’ny sasany ka mahatonga ny ankizy ho malaina hamonjy sekoly ka zaran’ny ray aman-dreny aza manampy azy amin’ny fitadiavana.
Ho an’ny faritra sasany moa dia noho ny tsi-fandriampahalemana no mahatonga azy ireo tsy mandefa ny zanany ho any an-tsekoly intsony.

Hafainganina ny valim-panadinana

Na eo aza ny fahavitsian’ny mpiadina dia efa nandray fepetra ihany koa ny tompon’andraikitry ny Ministera ny amin’ny hamoahana arak’izay haingana ny valim-panadinana.
Koa ho an’Antananarivo renivohitra dia ezahina ny hamoaka izany eo amin’ny herinandro eo ho eo.
Miisa 16  moa ireo foibe fitsaram-panadinana ho an’Antananarivo. Ary nambaran’ny tompon’andraikitry ny fampianarana ihany koa fa efa vonona ny vola homena ireo mpampianatra sy tompon’andraikitra isan-tokony amin’izao fanadinana izao.

Vous aimerez aussi