LISI-PIFIDIANANA : Efa eny amin’ny 92%-n’ny fokontany

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny lisi-pifidianana, hoy ny avy amin’ny Ceni na ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana. Koa efa eny amin’ny 92%-n’ny fokontany manerana an’i Madagasikara ny lisitr’ireo izay tsy nahita ny anarany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka nefa voasoratra ara-dalàna tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana in-droa.
Ny faran’ity volana aogositra ity no andrasana ireo mpifidy izay tojo io olana io ka tokony ho eny amin’ny biraom-pokontany, ahazoana manao ny fanarenana.
Nanterin’ny tompon’andraikitra fa tsy misy ny fanavaozana manokana ny lisi-pifidianana. Izany hoe tsy hisy ny fampidirana anaran’olona vaovao ao anatin’ny lisi-pifidianana ary tsy hisy koa ny fanalana anarana ao anatin’io, fa ny lisitra nanatontosana ny fifidianana farany teo, miampy ny fanatsarana izay atao no hanatontosana ny fifidianana Ben’ny Tanàna, ny 27 Novambra ho avy izao.
Nomarihiny fa hisokatra indray ny fanavaozana ny lisi-pifidianana fanao isan-taona ny 01 desambra ho avy izao ka hifarana izany ny 15 mey 2020. Koa izany lisitra izany no hampiasaina amin’izay fifidianana rehetra ho avy.

Vous aimerez aussi