FAMPIHARANA NY FIHIBOHANA : Mila hentitra ny fanjakana

Akory ny hagagana raha nahita ireto olona sy fiara mitanjozotra saika manerana an’Iarivo, tamin’ny andron’ny omaly Alarobia. Raha ny fanambarana nataon’ny filohampirenena anefa dia miaina tanteraka ao anatin’ny fihibohana ny mponina eto Antananarivo, Tomasina ary Fianarantsoa.

Tsy tanteraka izany raha ny fahitana ny zavamisy eto an-drenivohitra fa nijanona ho fanambarana fotsiny ihany. Nahatalanjona fa niverina hatramin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny hamaroan’ireo fiara nifamezivezy toy izay nitranga teny Sabotsy Namehana. Tsy manana ahiahy ny maro tamin’ireo mponina nitanjozotra nanao bazary teny Analakely, Andravoahangy sy ny manodidina. Manginy fotsiny ny fitangoronan’ireo olona handeha hamonjy fodiana teny amin’ireo tobim-piantsonan’ireo taksibrosy toy ny teny amin’ny Gara Maki Andohatapenaka sy ny fasan’ny karana. Tsy voahaja intsony ny fepetra rehetra nambara fa ahafahana misoroka ny mety ho fipariahan’ny covid-19.

Mila mandray fepetra hentitra kokoa ireo mpitandro ny filaminana eto amintsika mba hahatanteraka antsakany sy andavany ny fihibohana. Efa miezaka ihany izy ireo mandraoka sy mampody ireo olona « mafy loha » mbola mifamoivoy anatin’ny fotoana fihibohana saingy toa sasam-poana ihany izy ireo. Mila mitady paikady vaovao, araka izany, ireto tandroka aron’ny vozona ireto raha tiana hahomby ny fihibohana. Ny valanaretina covid- 19 anefa etsy andaniny misoko mangiana ny fitomboan’ny isan’ireo mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara. Aoka samy ho tomponandraikitra amin’ny ataony ny isambatan’olona dia hirindra ny fiarahamonina ary ho lavitry ny loza amin’atambo e !

Vous aimerez aussi