Tapitra anio ny fepotoana 72 ora nomen’ireo mpianatra ao amin’ny sampam-pampianarana Siansa ho an’ny Fitondram-panjakana sy ny mpampianatra mpikaroka. Araka izany, handray fepetra ireo mpianatra raha sanatria tsy mbola mivaly ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hamerenana ny fampianarana.
Efa efa-bolana moa ireo mpianatra ireo no tsy nianatra noho ny fitokonana lavareny ataon’ny Seces. Ny Seces, izay mitaky ihany koa ny zony amin’ny Fitondrana, saingy tsy mbola nahazo valiny mahafapo, ka ny mpianatra no zary lasibatra.
Noho izany, andrasana amin’ity andro anio ity ny fanapahan-kevitra rehetra momba izany.
Raharaha « panier garni »
Tapitra anio ihany koa ny fepotoana nomen’ireo mpampianatry ny lisea maromaro mikasika ilay raharaha « panier garni », izay tsy nazava tsara tamin’izy ireo ny zava-misy marina.
Tapa-bola mahery izao no tsy nandraisan’ireo mpampianatra sasany ireo ny asany ka mampiferinaina ihany koa ny mpianatra sy ny ray aman-dreny.
Koa andrasana amin’ity anio ity ihany izay mety ho valin-teny mikasika azy ireo.
Any amin’ireo Minisitra ny baolina
Nambaran’ny Filoham-pirenena, nandritra ny fifampiarahabana tamin’ny mpanao gazety moa fa any amin’ireo minisitra tompon’andraikitra ny vaha olana momba ireo.
Efa nisy hatrany ny fanazavana lava momba ireo raharaha ireo saingy toa tsy hita na iniana tsy jerena ny mikasika azy ireo. Simba tanteraka ny hoavin’ireo tanora Malagasy raha ity sehatry ny fampianarana ity no atao antsirambina. Aiza ny fanandratana ny tanora izay dradradradraina lava izao ?


