MPANOLOTSAIN’NY KAOMINA : Lasan’ny IRK ny toeran’ny filoha

Ralitera  Andriamparany Guy no lany ho Filohan’ny Mpanolontsainan’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fifidianana natao.

Kandidà telo izy ireo no nifaninana tamin’izany ka ity avy amin’ny antoko IRK no nahazo ny vato 28 be indrindra. Nanaraka azy i Faustin Andriambahoaka, avy amin’ny antoko TIM, izay nahazo vato 25 ary Ralambomahay Toavina, avy amin’ny Tsy miankina nahazo vato 2.

Miisa 55 moa no iasn’ireo Mpanolotsaina eto amin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra.

Lasan’ny IRK avokoa

Nandritra izany ihany koa no nanaovana ny fifidianana izay ho Filoha lefitra, ka voafidy ho amin’izany toerana izany  Rapatsalahy Narison (IRK). Lany ho Mpampaka-tenin’ny Mpanolotsaina koa ny roalahy avy amin’ny IRK ihany, dia Razafimbelo Rado sy Andriantsoa Victor.

Lasan’ny IRK avokoa, araka izany ny toeran’ny birao maharitra eo anivon’ny kaomina Antananarivo.

Andrasana ny asa mivaingana

Araka ny fanambarana nataon’ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina moa dia maika ny fanarenana an’Antananarivo ka mila miasa haingana. Efa fanirian’ny Filoha ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny olona mitovy loko politika. Tojo ny faniriany, noho izany, ny antoko, ka andrasana ny fiovan’ny fandrosoana haingana sy mivaingana.

Vous aimerez aussi