FAMOTSIAM-BOLA : Mitontaly 400 miliara ar ny tratra

Mitontaly hatrany amin’ny 400 miliara ar ny vokatry ny famontsiam-bola tratran’ny Sampand-draharaha miadidy ny famotsiam-bola (na ny Samifin) tamin’ity taona 2019 ity, raha 111 miliara ar izany tamin’ny taon-dasa.

Manoloana izany ezaka  amin’ny ady amin’ny kolikoly izany indrindra no nanoloran’ny Sampandraharaha maneran-tany misahana ny Fampandrosoana (na ny PNUD) fitaovana informatika ho an’ny Samifin, io maraina io.

40% ny raharaham-barotra

Noho ny fiovan’ny lalàna ahazoana  maka vaovao dia nitombo ny vokatra azo,  hoy ny Tale Jeneralin’ny Samifin, Lamina Boto Tsaradia.

Misy rahateo  ny fiaraha-miasa amin’ireo banky sy ny sehatr’asa afa-manao fanambarana amin’ny Samifin ka bebe kokoa ny fanaraha-maso vita.

Fantatra, araka izany, fa ny 40 %-n’ny raharaha dia mikasika ny asam-barotra sy  fanaovana hosoka amin’ny fandoavan-ketra avokoa. Eo koa anefa ny amin’ny vokatra fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, … sy ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna ary ny kolikoly eo amin’ny asam-panjakana.

Avy amin’ny Samifin ny 6%

Araka izany dia maherin’ny 60 ny isan’ny taratasy nalefa eny anivon’ny Pôles Anti-Corruption (na ny PAC), momba  ity famotsiam-bola ity. Ny 6%-n‘ny raharaha ao amin’ny PAC, araka izany, dia avy amin’ny Samifin.

Noho izany, mihatsara koa ny tohin’ny raharaha ampitaina eny amin’ny Fitsarana  noho ny fisian’ny PAC., izay tsy manao afa-tsy ny fanenjehana ny raharaha momba ny kolikoly sy ny mifandraika amin’izany. Efa misy rahateo ny fanamelohina ny olona mamotsy vola taorian’ny taona 2016.

Fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna

Manolona ireo fananana giazina noho ny fahazoana izany tamin’ny tsy ara-dalàna kosa no nanambaran’ny Tale Jeneralin’ny Samifin ihany fa azo atao ny mivarotra avy hatrany ireo harena mety hilatsa-bidy, ka tazomina ny vidiny. Raha meloka ilay olona dia mijanona ho an’ny Fanjakana izany. Raha afaka kosa izy dia averina aminy ilay vola. Izany no hatao dia ho fanatsarana ny lalàna.

Andrasana kosa anefa ny fitsanganan’ny rafitra iandraikitra manokana ireo harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo.  Mba ho sampan-draharaha hafa mihitsy no iantsoroka izany fa tsy ho ny Bianco, na ny polisy sy zandary no hitantana azy fa rafitra manokana mihitsy.

Miroso ny ady

Tsapa amin’izao fa miroso ny ady amin’ny kolikoly, izay fanetriben’ity firenena ity. Kolikoly izay ataon’ny mpitantana ambony matetika ary mampisy ny elanelana be loatra eo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy.

Heverina fa tsy hisy fanavahana ny fanenjehana ireo mpanao kolikoly rehetra, na ho an’ny mpitantana teo aloha izany na ny amperinasa.

Vous aimerez aussi