Fizaham-pahasalamana sy fanomezam-panafody maimaimpoana no natao ho an’ireo mpamily taksibrosy etsy Andohatapenaka, io maraina io.
Tompon’antoka tamin’izany ny sampandraharan’ny fitaterana (na ny ATT) sy ny ministeran’ny Fahasalamana.
Ny tosidrà, ny maso na ny fahitana, ny rarin-tsaina… no anisan’ny notiliana tamin’izany satria tsy vitsy ireo mpamily no manatanteraka ny asany amin’ny alina. Na izany aza dia nisy ihany koa ny fizahana natao tamin’ireo mpiasa eny amin’ny tobim-piantsonana sy ny mpandeha mila izany.
Mpamily 250
Izao hetsika izao no atao moa dia noho ny fiantohana ireo mpamily satria maro ny fivezivezena atao amin’izao faran’ny taona izao, ka ilaina ny ezaka fampihenana ny lozam-pifamoivoizana.
Araka ny fantatra aza dia 250 isan’andro no isan’ny mpamily miainga eo amin’io fiantsonana io, izay manao dia lavitra, ka ilaina ny fanampiana azy ireny ara-pahasalamana.
Nanterin’ny tompon’andraikitra fa fanampiana tsotra ihany izao atao izao fa tsy misy akory ny fampiantoana ny mpamily amin’ny asany.


