FAMERANA NY FIVEZIVEZENA : Mbola misy gaboraraka ?

Nanaitra ny nahenoana ny tatitra nataon’ny avy eo anivon’ny foibem-pibaikoana ny ady atao amin’ny covid- 19, omaly, alahady, fa ny 15 amin’ireo olona voamarina fa mitondra ny valanaretina covid- 19 teto Analamanga dia olona avy any Toamasina avokoa.

Voavidy vola

Nanamarika ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondra tenin’ny CCOC Ivato, ny alahady, teo, fa misy amin’ireo olona no mahasahy mampiasa vola an’hetsiny maro mihitsy hividianana ny fahazoan-dalana manokana hivoaka ny faritra misy azy. Mazava fa misy hatrany ny volongita mifandray tendro matoa tafavoaka ny faritra Atsinanana ary tafiditra tsy nisy gidragidra teto Analamanga izy 15 mianaka.Vao tsy ela akory ihany koa tamin’iny lalampirenena faharoa mihazo an’i Toamasina iny no nahatraran’ny mpitandro ny filaminana fiarabe « kamio » nitondra mpandeha antsokosoko nihazo an’Analamanga.

Taratra avy amin’ireo tranga ireo fa mbola goragora ary anjakan’ny totohondry vola hatrany ny lafiny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana manodidina ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy mahagaga, araka izany, raha toa ka tao anatin’ny fotoana fohy dia nitombo avo roa heny ny isan’ireo mitondra ny covid- 19 eto amintsika. Ny viriosy izay tsy afaka hifindra toerana samy irery raha tsy eo ny Olombelona mitondra sy manapariaka azy etsy sy eroa.

Mila fahatsiarovan-tena

Mila fahatsiarovantena sy fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny tsirairay ny ahafahana mifehy haingana ny fipariahan’ny covid- 19 eto amintsika mba tsy hitarazoka ela loatra ka hampitombo indray ny fahasahiranana efa mby an-koditra ankehitriny. Ny vola mantsy tsy hangidy rahoviana fa ny aina lahitokana koa tsy tokony hatao hakinanga ny fiahiana azy. « Arovy ny tenanao, arovy ny hafa ».

Vous aimerez aussi