Delestazy, olana ara-teknika, olana ara-toetrandro, tsy fahampian’ny solika,… N’inon’inona mety ho fiteny azy dia ny fahatapahan-jiro no niainan’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina.
Efa andro maromaro izay, saingy ny tato anatin’ny 48 ora no tena diso matetika loatra, izay nifandimbiasan’ny fokontany maro. Na ny maraina na ny hariva, eny fa na ny alina aza dia niainana ny tsy fisian-jiro, izay nampimenomenona ny vahoaka tokoa.
Mifanojo indrindra amin’ny filaharan-tsolika eto an-drenivohitra izany fahatapahan-jiro izany ka nanambaran’ny maro ho olana mifampiankina.
Olana ara-teknika
Nitondra fanazavana tahaka ny mahazatra, io maraina io, ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa Jirama, izay nilaza ny fisian’ny olana ara-teknika noho ny fahamaizan’ireo fitaovan’ny AKSAF Power 4 eny Mandroseza, izay nipoahan’ny varatra farany teo. Efa voavoatra io maraina anefa ny 2 ary ny roa hafa kosa ho vita izao tolakandro izao. Voalaza ihany koa fa efa voavatsy ny solika mavesatra tokony hampiasan’ny Jirama, izay tsy mifandraika amin’ny tsy fisian’ny solika eto an-drenivohitra velively.
Mizaka fatiantoka
Rehefa mitranga ny fahatapahan-jiro dia mizaka fatiantoka lehibe ihany koa ny mpanjifa. Ankoatra ny fiatoan’ny asa amin’ny isam-birao dia tojo fahasahiranana tokoa ny mpiasa mianto-tena, raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpanao volo, mpanao « soudure », ny mpanao « cyber »,….
Manginy fotsiny ny mety ho fahasimbana mihatra amin’ny fitaovan’izy ireo tsirairay avy.
Manoloana izany anefa, tsy misy ny fiantohana ataon’ny orinasa Jirama. Mba farafaharatsiny tokony hisy ny tamberina mivaingana tsapa ao anatin’ny faktiora alefan’ny orinasa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

