Hanantanteraka seho miavaka ho an’ny vahoak’Antananarivo sy ny manodidina ny Jaws Band ny Alahady 27 oktobra 2019 amin’ny 3 ora hariva ao Antsahamanitra.
Taorianan’ny seho maro natao toy ny tao amin’ny CC Esca Antanimena, Skate Park ary ny tany amin’ny Nosy Maurice dia seho lehibe no entin’ny tarika amin’ny alahady satria io no fihaonana an-kalamanjana voalohany ataony, ary hiarahany miasa amin’ny STK FJKM Alarobia Amboniloha.
Atao avokoa ny hira taloha, ny ankehitriny ary ny vaovao izay arahan’ireo mpitendry tanora dia tanora tokoa, izay ampitombo ny angovo ho amin’ny fiderana an’Andriamanitra.
Amin’io fotoana io dia hisy ihany koa ny fivarotana CD, Tee-shirt, sns… izay hanasana antsika handray anjara.
Ny karatra dia amidy amin’ny vidiny mirary ary ho hitantsika mialohan’ny fampisehoana ao amin’ny Koots Food Mahamasina ary Nectar Ankadifotsy. Ny andron’ny fampisehoana koa dia ao Antsahamanitra.
Mialohan’ny fankalazana ny taona voalohany an’ny Jaws Band amin’ity faran’ny taona 2019 ity, dia mbola hanantanteraka seho any Fianarantsoa sy hankalaza ny Krismasy 2019 ihany koa ny tarika.


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

