FAHATAPAHAN-JIRO SY RANO : Tsy mbola misy vaha-olana matotra

Olan’ny solika, ny fahanteran’ny fitaovana, rano tsy ampy,… Izany no anisan’ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitry ny orinasa Jirama, ny alahady teo, manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny nitranga teto an-drenivohitra nandritra iny faran’ny herinandro iny.

Noho ny olana ara-tsolika, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama, Rasamoelina Solo, no nampisy ny delestazy matetika ny zomà lasa teo. Vokatry ny tsy fampian’ny rano tao Mandraka kosa ny sabotsy.

Araka izany dia lasa 2 megawatts sisa izany raha 24 megawatts no tena filana.

Ankoatr’izany, efa tranainy avokoa ireo fitaovana satria efa tany amin’ny 30 taona lasa tany, kanefa mihabetsaka ny mpampiasa jiro.

Hitohy ny fahatapahana

Manoloana izany dia hitondra vaha-olana vonjimaika ho an’ny eto an-drenivohitra ny orinasa amin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny fanoloana ireo tariby mitondra herinaratra izay mirefy 300 km, ny fanoloana ireo « transformateur », izay hita fa tena maika, ny fanoloana ireo fitaovana bakoly eny amin’ny andrin-jiro,…Mandritra ny fanoloana izany anefa dia nanterin’ny tompon’andraikitra ihany fa mbola hisy ny fahatapahan-jiro.

Mainka aza ho tapaka manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny jiro mandritra ny fampitomboana ireo tobim-pamokarana (na « sous station ») 6 eto an-drenivohitra.

Tsy hisy fiovana

Raha akapoka dia tsy mbola hisy ny tena vaha-olana maharitra entin’ity orinasa ity ho an’ny vahoaka mpanjifa. Tsy misy ny fanonerana ny fitaovan’ny mpanjifa simba, tsy maintsy efaina ara-potoana ny faktiora, izay miha-midangana, tsy maintsy iaretana anefa ny fotoana lany sy ny vola very amin’ny tsi-fahatomombanana, …Manginy fotsiny ny fijaliana amin’ny rano, satria toa mifampiankina amin’ny jiro ihany izy io.

Sao dia ity àry aloha no maha-maika toa izay hanao tanàna vaovao tsy hisy jiro sy rano e ! Ny loza dia atahorana ho lasa « Fahirano » ilay « Velirano » ventesina mafy ankehitriny ?

Vous aimerez aussi