MPONIN’AMBOHITRIMANJAKA : Nanao fotoam-pivavahana

Nanatontosa fotoam-pivavahana ny mponin’Ambohitrimanjaka ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nambaran’ireo vahoaka fa hangatahana tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra amin’ny fanohizana ny tolona ataon’izy ireo.

Andrasana fatratra ny fihaonana amin’ny Filoham-pirenena, hoy i Njaka Andriantsoa, anisan’ny mpitarika avy ao amin’ny fokontanin’Anosibe Zaivola. Mikiry hatrany manko ireo solontenam-panjakana tonga eny an-toerana amin’ny hanaovana ny fandinihana rehetra ilaina (na évaluation) amin’iny toerana iny ary hanala ireo mponina eny amin’ny manodidina.

Nisy namoy ny ainy

Manoloana izany kiribiby ataon’ireo solontenan’ny fitondrana izany dia nisy raimandreny namoy ny ainy noho ny alahelo be loatra tao aminy, hoy ny mponina eny an-toerana. Voizin’ireo teknisiana manko fa tsy maintsy atao ao anaty tanimbary ny tetikasa Tàna Masoandro.

Nanterin’i Eric Randrianaivo, mpitari-tolona eny an-toerana fa tsy nisy ny resaka « guichet unique » nandritra ny fandalovan’ireo solontenam-panjakana teny an-toerana. Porofo, noho izany, no hisian’ireto vahoaka ireto fa tsy misy izany fanonerana izany. Olona tsy mponin’Ambohitrimanjaka, izay nalaina sary avy aty an-damosina rahateo no nilaza ho manaiky ny tetikasa.

Hirotsaka ny sefo fokontany

Araka ny taratasy avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, tamin’ny 05 novambra lasa teo dia hidina eny ifotony ny kaomisionim-panjakana, izay misahana manokana ny « guichet unique » eny amin’ny village Voara Andohatapenaka, ny 13 novambra ho avy izao. Nahazo tamin’izany taratasy izany avokoa na ny Ben’ny Tanàna na ny sefom-pokontany na dia mbola eo amin’ny fotoan’ny fifampiresahana aza ny mponina sy ny Fanjakana.

Midika izany fa mikiry hatrany ny tompon’andraikitra sasany amin’ny tsy maintsy hirosoana amin’ny asa.

Raha ny sion-dresaka mandeha aza dia terena hiditra ao anatin’ny vaomiera ny sefom-pokontany mba handresy lahatra ny vahoaka amin’ity tetikasa ity. Mety ho izany tokoa angaha no nanoloana azy ireo ?

Vous aimerez aussi