Efa miditra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Araka izany dia faritra maro no hiharan’ny rotsak’orana amin’ity herinandro ity, araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Tsikaritra izany nanomboka omaly ary mbola mety hisy ihany koa amin’ity takariva ity, ka hitatra hatramin’ny faran’ny herinandro izany.
Hahazo orana bebe kokoa, noho izany ireto Faritra ireto : Melaky, Bongolava, Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’Imania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, izay ny alarobia sy alakamisy ho avy izao no tena isehoan’izany.
Araka izany vina izany dia mety hahazo rotsak’orana maherin’ny 30 milimetatra ao anatin’ny andro iray ireo Faritra ireo, izay saika ny tolakandro sy ny alina no hisehoan’izay rotsak’orana izay.
Azo heverina ihany koa anefa ny fitaran’ny rotsak’orana, ny faran’ny herinandro, manerana ny Nosy. Noho izany moa dia efa misy fidinana ny mari-pana amin’ny ankamaroan’ny Faritra eto amintsika. Na izany aza dia mbola hisy ny Faritra migaingaina amin’ny hafanana, izay hahatratra hatramin’ny 37°-39° C.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

