Hatao manomboka ny herinandro ho avy iny ny fanadihadiana mikasika ny fahantran’ny Malagasy.
Hisy, araka izany, ireo mpanao fanadihadiana miisa 120, izay hitety tokantrano manerana ny Faritra 22 misy eto Madagasikara.
71% no mahantra
Araka ny fanadihadiana farany natao, ny taona 2012 dia fantatra fa ny 71%-n’ny Malagasy no miaina eo anivon’ny fahantrana. Io tarehi-marika io hatrany, noho izany, no nentina tamin’ny kajy ilaina samihafa. Koa mba hananana antontan’isa vaovao maharaka ny toetrandro no nanapahan’ny tompon’andraikitra misahana ny antontan’isa hanavao ny fanadihadiana, izay tsy ho vita raha tsy ny taona 2021 any.
2 tapitrisa dolara
Manoloana izany no namatsian’ny Banky Iraisam-pirenena 2 tapitrisa dolara eo ho eo, mba hanaovana izao fanadihadiana manaraka izao.
Hiparitaka manerana ny Faritra samihafa sy tokantrano isan-tsokajiny ireo mpanao fanadihadiana. Dinihana mandritra izany ny antsipirihan’ny zavatra lanin’ny karazan-tokantrano sy ny fandaniana ataony isan’andro. Anisan’izany ny sakafo, ny fanafody, ny jiro sy rano, ny saran-dàlana, ny ekolazy,….Koa kajiana avy amin’izany ny salan’isan’ny fandanian’ny isan-tokantrano.
Ho faritana, araka ny fetra iraisam-pirenena izany, ahazoana milaza ny fahantrana na tsia ny isan-tokantrano. Refesina araka ny vola laniny isan’andro no hikalasiana azy ho mahantra na tsia.
Manankarena ny Malagasy
Voalaza ombieny ombieny fa manankarena ny Malagasy. Nambaran’ny Filoha teo aloha mihitsy aza fa tsy misy Malagasy mahantra izany. Mety ho marina tokoa izany raha faritan’ny tomba-maso amin’ny fahamaroan’ny fiara 4×4 mifamoivoy eto an-drenivohitra. Saingy ny fanadihadiana ihany no ahazoana tarehi-marika mifanaiky amin’ny tena marina.
Raha ny 71%-n’ny Malagasy no nahantra tamin’ny taona 2012, mba firy kosa izany 8 taona aty aoriana ?


