BAOLINA KITRA : Ho fantatra anio ny laharan’ny barea

Anio alina no ho fantatra ny laharan’i Barean’i Madagasikara eo amin’ny fifidianana izay ekipa mendrika indrindra aty Afrika, tamin’iny taona 2019 lasa iny.

Hatao any Egypta izany fotoana lehibe eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra afrikana izany, tokony ho amin’ny 10 ora alina aty amintsika.

Amin’ireo ekipa mendrika moa dia hifampitana amin’i Madagasikara ny ekipan’i Alzeria sy Senegal. Ankoatra ny ekipa mendrika dia ho fantatra anio ihany koa ny mpanazatra sy ny mpilalao mendrika indrindra tamin’iny taon-dasa iny.

Anisan’ny tafiditra amin’izany mpilalao mendrika 30 ho fidiana izany i Carolus Andriamahitsinoro. Ankoatra ny maha-lohalaharana azy ao amin’ny ekipan’i El Adhal ao Arabia Saodita dia mpilalao maherifon’ny Barea ihany koa ny tenany.

Manan-talenta ny Malagasy

Tsy eo amin’ny baolina kitra ihany no ananan’ny Malagasy talenta fa saika ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny mihitsy, toy ny fibatana fonjamby, tsipy kanetibe, basket-ball, atletisma,…Saingy tsy ampy fanohanana izy ireny fa miezaka amin’ny herin’ny tenany irery. Rehefa tafita izy vao fantatry ny Fanjakana tokony hanohana azy hatrany am-boalohany ka omena mari-pankasitrahana.

Mbola zava-dehibe ilay hoe tsy miantehitra amin’ny herin’ny hafa.

Vous aimerez aussi