TOETRANDRO : Hiverina ny hain’andro

Hiverina amin’ny hafanana sy ny main’andro indray ny toetrandro manerana ny Nosy, afaka roa andro. Mbola hisy anefa ny rotsak’orana anio sy rahampitso, amin’ny faritra sasantsany, amin’ny maha-mbola anaty fahavaratra ny vanin-taona.

Araka izany dia hiverina amin’ny hafanana sy ny danik’andro ny manerana ny Nosy manomboka ny alakamisy ho avy izao.

Somary hisy fidinana kely fotsiny ny hafanana aty amin’ny afovoan-tany sy ny faritra atsinanana. Na misy aza ny rotsak’ozana dia tsy tahaka ny teo aloha izany fa hihena tanteraka raha oharina tamin’ny herinandro lasa.

Mila fitandremana ara-pahasalamana

Misy akony lehibe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana hatrany ny toetrandro, satria mamaritra ny tontolo iainan’ny olombelona izany. Mila fahavononana, araka izany, ny fihavian’ny hafanana be loatra sy ny danik’andro ka ilana fiarovana, toy ny elo, izay mety amin’ny toetrandro rehetra.

Tsy atao ambanin-javatra koa anefa ny fisotroan-drano betsaka amin’ny fotoan’ny hafanana noho ny fahaverezana avy amin’ny hatsembohana.

Vous aimerez aussi