Mila miray hina hatrany isika satria mbola tandindomin-doza ny asa fanaovan-gazety. Fanambaran’ i Gérard Rakotonirina, Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety izany, nandritra ny fotoam-pankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, tetsy Soarano.
« Fanaovan-gazety tsy amin-tahotra sy tsy amin’ny halemem-panahy ». Izany moa no lohahevitra nanompanana ny fankalazana tamin’ity indray maka ity, ka nanoritan’ny Filohan’ny Holafitra fa tokony hitondra vaovao marina ny mpanao gazety satria zon’ny vahoaka ny mahazo sy mahalala izany.
Na dia Nosy aza i Madagasikara dia tsy mitoka-monina velively fa miara-dia amin’izao tontolo izao, indrindra amin’ny ady atao amin’ny faneriterena manjo ny mpanao gazety.
Noho izany, zava-dehibe ny firaisan-kinan’ny mpanao gazety na dia mety ho samy hafa aza ny baikon-dahatsoratra arahin’ny tsiraiiray.
Noroahin’ilay olom-boafidy ny mpanao gazety
Manoloana izany indrindra no nanaovan’ireo mpanao gazety any amin’ny Faritra Menabe fitarainana satria toa lavitry ny fahalalahana ny namana any an-toerana.
Tsy manaja ny mpanao gazety eo am-panaovana ny asany ny tompon’andraikitra sasany, hoy Rtoa Razafindrahety Suza, Filohan’ny mpanao gazety ao Menabe.
Noroahan’ny Solombavambahoaka iray teo imasom-bahoaka manko ny mpiasan’ny TVM nanatanteraka ny asany, tao amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina, ny 1 mey lasa teo. Noho izany, nametraka fitarainana ity Filohan’ny mpanao gazety any amin’ny Faritra Menabe ity.
Manamafy izany fitarainana izany ny talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina any an-toerana, Randriamanampisoa Xavier.
Heverina fa mba hisy akony lehibe eny anivon’ny tompon’andraikitra ambony izao toe-javatra izao.


