Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo ny fivorian’ny Antenimierampirenena entim-bahoaka na ANP any Sina. Hiantsehatra amin’ny fampandehanana ara-toekarena ny fireneny manomboka izao i Chine, hoy ny praiministra Li Keqiang nandritry ny fivoriana. Voafehy ny valanaretina ary efa nahitana paikady izany hoy hatrany izy tamin’ireo solombavambahoaka 3000 nivory tany an-toerana niaraka tamin ireo masoivohon’ny firenena samihafa any Sina. Anisan’ireo nanotrona izany ny ambasadaoron’i Madagasikara, ny dokotera Jean Louis Robinson, izay nanamafy fa hanana tombony manokana i Madagasikara taorian’izao fivoriana izao. Ankoatra ny drafi-pampandrosoana (PEM) hanohanan’i Sina an’i Madagasikara, manana fanantenana amin’ny hialan’i Madagasikara anaty fahantrana i Sina, hoy i Jean Louis Robinson, ary hahazo tombony manokana noho isika manana fifandraisana ara-diplomatika matotra amin’izy ireo, indrindra amin’izao fandresen’i Sina ny aretina coronavirus izao. Nomarihany fa nahitana fahombiazana ny singa “artémisinine” nampiasain’izy ireo tamin’ny fitsaboana Covid 19 izay ampiasaintsika amin’ny tambavy CVO io, araka ny valiteny nomen’ny Kaomisiona nasionaly ny fahasalamana any Sina.


