Distrikan’Ikalamavony : Voafehy ny tazomoka, efa tonga ny fanafody

Tafakatra hatrany amin’ny 100 ireo olona voan’ny tazomoka manantona ny toera-pitsaboana fototra, tao anatin’ny volana maromaro lasa izay. Nihena hatrany amin’ny antsasany anefa izany ankehitriny noho ny efa fahatongavan’ny fanafody any an-toerana avy amin’ny fanjakana foibe. Tsy ho ela ihany koa ny fizarana ireo lay misy odimoka ho an’ireo mponina any an-toerana.

Raha tsiahivina, nahitana olona miisa hatrany amin’ny 04 nararin’ny tazomoka ny fianakaviana iray tao amin’ny distrikan’Ikalamavony.

Tsy misy dokotera

Anisan’ny mbola olana maha osa ny lafiny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny distrikan’Ikalamavony ny tsy fahampian’ny dokotera any an-toerana. Maro amin’ireo toera-pitsaboana fototra CSB II no tsy misy dokotera fa dia ireo mpitsabo mpanampy na ireo mpiofana ara-pahasalamana no miantsoroka ny asa. Hetahetan’ny mponina, araka izany, ny tokony hametrahana mpitsabo matihanina eny anivon’ireo toera-pitsaboana fototra ao Ikalamvony.

Nanamafy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa ankoatra ny fijerena maika ny fametrahana dokotera any Ikalamavony dia ezahana ny hamerenana ny famendrahana ranom-panafody ahafahana mamono ireo moka mpitondra ny tazo. Nahavelombolo ireo mponin’Ikalamavony ny ezaka vita amin’ny fiadiana ny aretina tazomoka. Miandrandra ny hanohizana izany hatrany ireto farany mba hananan’izy ireo fahasalamana tomomba izay mitarika any amin’ny fahafahana miasa sy mamokatra.

Vous aimerez aussi