Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany ny holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara manolona ny fampiasana ireo arovava tsy manara-penitra ankehitriny. Tsy nihambahamba ny filohany nanambara fa maro amin’ireo arovava amidy eny an-tsena ankehitriny no tsy mahafeno akory ny fenitra ara-pahasalamana. Ny kalitaon’ny lamba ampiasaina sy ny hatevenan’izy ireny no hita fa tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny ankapobeny. Vokany, tsy voaaro tanteraka amin’ny mety hahazoana ny covid- 19 ireo mampiasa azy ireny.
Gaboraraka miampy baranahiny…
Gaboraraka no manjaka amin’ny sehatry ny fivarotana sy fanajariana ireo arovava eto amintsika. Ny isan’ireo olona mitondra ny covid- 19 eto Madagasikara tsy mitsaha-mitombo, ny fanarahana ireo fepetra anefa toa mihagoragora hatrany. Manainga ny tomponandraikitra mba hanara-maso ny kalitaon’ireo arovava amidy etsy sy eroa. Entanina ihany koa ny mpamokatra azy ireny mba hanaja tanteraka ny fenitra takiana amin’ny famokarana arovava ara-pahasalamana. Aza fitahina ny mpiray tanindrazana aminao fa aina no resaka eto.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa misy amin’ireo tsiranoka voatokana ho fanasana tanana « gel » no tsy mahafeno akory ny fenitra ara-pahasalamana. Mila mailo nefa tony manoloana izany rehetra izany e !


